Mino ankitiny zaho Tompo ô

Mino ankitiny zaho Tompo ô fa notiavinao
Nofahananao tamin'ny Vatanao sy ny Ranao Masina
Ka voky sady velona izahay

Jesoa Tompo ô, ny fitsangananao
No fototry ny finoanay
Ka izay mandray Anao amin'ny fo madio
No ho velona mandrakizay 

Nijaly sy maty ary Velona ho anay
Mba hanandratra ny fiainanay
Ny sorona atolotra isan'andro 
No manavao ny fiainanay

Mino ankitiny zaho Tompo ô fa notiavinao
Nofahananao tamin'ny Vatanao sy ny Ranao Masina
Ka voky sady velona izahay

Nampiditra Jean_Luck_R
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0179