Mifona amin’ny fahotana vitako aho

1.    1. Mifona amin’ny fahotana vitako aho Ry Ray ô

Mibebaka amin’ny heloka rehetra nataoko aho (in-2)

Tsy an-droa tsy an-telo aho ry Raiko ô

Tompo ô, mamindra fo aminay e!

Oô ry Ray ô

Tompo ô, mamindra fo aminay e!

 

2.Nanetsy tadidiny tamin’ny teninao aho ry Jesoa

Nampandry sofiny amin’ny angady foana no nataoko (in-2)

Anaraka Anao aho ry Kristy ô

Kristy mamindra fo aminay e!

Ee ry Jesoa ô

Kristy mamindra fo aminay e!

 

3.Namono eritreritra tao am-poko aho ô ry Fanahy

Nanao tsirambina ireo adidy hiantsorohako aho (in-2)

Miandry anao Aho ry Fanahy ô

Tompo ô, mamindra fo aminay e!

Ee ry Fanahy e !

Tompo ô, mamindra fo aminay e!

 

Nampiditra Guliano
Sokajy Fifonana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0229