Sakafom-panahy

1. Sakafom-panahy no lalana
    Lalana mankany any amin'ny Ray
    Ny sakafom-panahy no fahamarinana,
    Ny marina no maha-olona afaka
    Ny sakafom-panahy no fiainana,
    Fiainana mandrakizay

I Jesoa, i Jesoa,  i Jesoa, i Jesoa
Raisintsika e, am-pitiavana

2. Ny sakafom-panahy Mofon'Aina
    Nidina avy any an-danitra,
    Ny sakafom-panahy nomiara-miaina
    amintsika zanak'Andriamanitra
    Ny sakafom-panahy mampiombona
    sy mampihavana

3. Ny sakafom-panahy Sorona
    Sorona toakana an-tany
    Ny sakafom-panahy fanomezana,
    Ny ainy no natolony:
    Ny sakafom-panahy fitiavana,
    Raisina am-po

Nampiditra j_rahasa
Sokajy Komonio
Fihirana Hasina p. 847
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1833