Avelao, ny helokay, ry Tompo ô (Ny teny ratsy am-bavanay)

1. Ny teny ratsy am-bavanay
   Nampalahelo anao tokoa
   Ifonanay fa diso izahay

   Ny hevi-dratsy ao an-tsainay
   Nampalahelo anao tokoa
   Ifonanay fa diso izahay

Tompo ô, Tompo ô, mamindrà fo aminay
Tompo ô, Tompo ô, mamindrà fo aminay
Mamindrà fo!

2. Ny asa ratsy fanaonay
    Nampalahelo anao tokoa
    Ifonanay fa diso izahay

    Ireo adidy tsy vitanay
    Nampalahelo anao tokoa
    Ifonanay fa diso izahay

Kristy ô, Kristy ô, mamindrà fo aminay
Kristy ô, Kristy ô, mamindrà fo aminay
Mamindrà fo!

3. Ireo fanirian-dratsinay
    Nampalahelo anao tokoa
    Ifonanay fa diso izahay

    Ireo lolom-po ao am-ponay
    Nampalahelo anao tokoa    
    Ifonanay fa diso izahay

Tompo ô, Tompo ô, mamindrà fo aminay
Tompo ô, Tompo ô, mamindrà fo aminay
Mamindrà fo!

Nampiditra j_rahasa
Sokajy Fifonana
Fihirana Hasina p. 844
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0627