O Ray ô 

1. O Ray ô ! Inty aho vonona hanaradia anao e

Koa mba raisinao.

O Ray ô ! Hanokantenako rehetra ho anao anie aho ee

Koa mba raisinao

 

Ref : Maro anefa ireo fakam-panahy

Hanakana asa mendrika ka esory re e

Malemy sady mora resy anefa aho Ray o

Fa olombelona mba tsimbino re

Ray ô ô ô ! Vonona hamaly reo antsonao

Ray ô ô ô ! Mba tantano re aho fa tena mora resy

Tantano re aho fa tena mora resy

 

2. Ô Ray ô ! Vonona hanao re asanao anie ty aho e mba tantano re

Ô Ray ô ! Hitory ireo hafatrao aminzao tontolo izao e ka tsimbino re

 

3. Ô Ray ô ! Olona tsy mendrika satria mpanota aho e ka mifona re ee

Ô ray ô ! Mba sasao sy lefero reo adisoako e mba diovy re

 

4. Ô Ray ô ! Mba tolory tanana anie ty zanakao e hanao ny sitrakao

Ô Ray ô ! fa osa sy malemy mora resy anie ty aho e ka tohano re

 

Nampiditra Lolo89
Sokajy Samihafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.073