Tsy mendrika aho ny ho zanakao Tompo ô

1. Tsy mendrika aho ny ho zanakao Tompo ô

Fa nandika ny didim-pitiavanao

Tsy tahotra tsy henatra, hasomparana

Nataonay tamin’ireo namanay

 

Tompo ô ! Mamindra fo aminay

Diso izahay ka mifona ee

Tompo ô ! Mamindra fo aminay

Diso izahay Tompo ô

 

 

2. Tsy mendrika aho ny ho zandrinao Kristy ô

Fa nitsipaka reny fahasoavanao

Nandrahona, namitaka, nanafintohina

Reo mahantra sy ny madinika

 

Kristy ô ! Mamindra fo aminay

Diso izahay ka mifona ee

Kristy ô ! Mamindra fo aminay

Diso izahay Kristy !

 

3. Tsy mendrika aho ny ho zanakao Tompo ô

Fa nisintaka reny fampianaranao

Nagnamavo, naneso, nanitsakitsaka

Regny antsom-pitiavanao

 

Tompo ô ! Mamindra fo aminay

Diso izahay ka mifona ee

Tompo ô ! Mamindra fo aminay

Diso izahay Tompo ô

Diso izahay Kristy

Diso izahay Tompo ô

Nampiditra Lolo89
Sokajy Fifonana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0767