Fankasitrahana sy fisaorana

Fankasitrahana sy fisaorana  (Tonalité La)

 

1.    Fankasitrana sy fisaorana

no entinay midera anao ry Ray

           Mendrika dera sy voninahitra

           izany laza ny fiandrianana

           Ndreto ‘zahay zanakao

           Miara-miredona mihira hoe :

           Masina indrindra ny Anaranao

          Tamin'ny taloha ka hatramin'izao.

 

Fiv :  Derao izy Tompo Andriamanitsika, derao e!

         Derao izy Tompo Andriamanitsika, derao e!

         Derao ny Tompon'ny Tompo, derao e!

         Mandrakizay ny hatsaram-pony, derao e!

 

2.    Izy manao zava-mahagaga, derao e!

           Nanao lanitra amim-pahendrena, derao e!

           Nanao ny tany ambony rano, derao e!

           Mandrakizay ny hatsaran-pony, derao e!

 

3.    Mpiaino amin'ny loza mpamonjy ny ory, derao e!

Mpitantana tsara mpandresy mahery, derao e!

Nahatsiaro antsika vahoaka ety, derao e!

Mandrakizay ny hatsaram-pony, derao e!

 

4.    Nanala antsika amin'ny mpampahory, derao e!

           Manan-ko hanina ireo velon'aina, derao e!

           Derao ny Tompo Mpanjaka ny lanitra, derao e !

           Mandrakizay ny hatsaram-pony, derao e !

 

Nampiditra Guliano
Sokajy Fisaorana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092