Andriamanitra fitia

Hira Kômonio :  Andriamanitra fitia  (Tonalité fa)

 

1. 1.    Andriamanitra fitia

  Be ny fitiavany

‘ Zay mitantana antsika

  N'aiza lalana haleha

  N'inon’inona hidona

  Izy Tompo no jereo

  Ny fahasoavana

  Nomen-dRaintsika

 

Fiverenana :     Ity no Vatako, raiso ary hano

                         Ity no Rako, raiso ka sotroy

                         Fa ny fiainana, fiainam-baovao

                         Tompo ô, zahay te ho eo anilanao.

 

2. Andriamanitra fitia

Be ny fitiavany

Izay nandefa ny Zanany

Hamonjy antsika ety

Noho ny fahotana be

'Zay manerana ny tany

Ka nijaly sady maty

Ka ho antsika ihany

Nampiditra Guliano
Sokajy Komonio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092