Ankavanan'Andriamanitra otronin'ny anjely maro
1 - Ankavanan'Andriamanitra,
     otronin'ny anjely maro
     Jesoa mipetraka any an-danitra, 
     mpandidy izao tontolo izao.
Fiv : Mpanjakan'ny mpanjaka,
mitsaoka Anao 'zahay :
Ny tany aman-danitra
mba anjakao, Jesoa.
2 - Mpanjaka be fahandrianana,
     ilay ateraky ny Ray
     Mitovy Aminy tokoa, 
     mandrakizay, mandrakizay.
3 - Mpanjaka ambony fahefana,
     tsy mba refesi-mandidy.
     Ka teniny iray ihany 
     mahefa ny zava-drehetra.
4 - Mpanjaka feno fitiavana,
     maty ho an'ny olonao ;
     Mba ho famonjenao anay, 
     ny teninao no nentinao.
5 - Mpanjaka tsy mba mety maty,
     izay nandresy ny fasana,
     Jesoa tafatsangan-ko velona 
     amin'ny andro nofidiny.
6 - Mpanjakan'ny olon-drehetra,
     amin'ny andro fitsarana,
     Izay fahavalonao aza 
     hipararetra mahita Anao.
7 - Mpanjaka tsy lavitra anay,
     mitoetra anatin'ny Hostia,
     Hamahana ny fanahina 
     amin'ny mofon'ny Anjely.

