Nodiovin'i Kristy ny Fiangonana

(Izaia 61,16 - 62,5)

 

Nodiovin'i Kristy ny Fiangonana (2),

Tamin’ny Batemy fandroana arahin-teny

Satria sitrany ho toy ny ampakarina,

Mamirapiratra, tsisy pentina fa masina (2)

(Efezianina 5,26-27)

 

1. Mientanentana ravo amy Tompo aho

    Ny fanahiko faly amin’Andriamanitro:

    Fitafiam-pamonjena no narakony ahy

2. Lamba fahamarinana no natafiny,

    Fehilohana mpampakatra no nomeny

    Ary haingo marevaka toy ny ampakarina

3. Toy ny tany efa lonaka nampitsimoka

   ‘Reo voa ‘zay nalatsaka tao anatiny :

    Toy ny saha mampitsiry ireo masomboly (2)

 

4. Izy Tompo Andriamanitra mampitrebona

   Hampitsiry fiderana ary fahamarinana

   Anatrehan’ireo firenen-drehetra.

5. Noho ny antony aminao àry, ry Sôna,

    Tsy hangina hijanona fotsiny aho;

    Noho ianao, ry Salema, tsy hitsahatra aho.

6. Raha tsy efa miposaka toa maraina

    Izany fahamarinana sy famonjena,

    Ka mirehi-mazava toa lelan’afo (2)

 

7. Ny voninahitra sy ny fahamarinana

    Dia ho hitan’ny mpanjaka sy ireo firenena;

    Ka anaram-baovao no hiantsoana anao.

8. Fa ny vavan’ny Tompo no hanonona azy,

    Ka ianao ho fehiloha mamirapiratra

    Eo an-tanan’ny Tompo, eo am-pelatanany.

9. Fa ho saro-piandrianan’Andriana ianao

    Eo an-tanan’ilay Andriamanitrao.

    Ianao tsy hantsoina hoe “Ilay nafoy”. (2)

 

10. Tsisy hiantso ny taninao hoe “Tany haolo”,

      Fa ianao dia atao hoe “Tena sitrako”,

      Ka ny taninao indray hoe “Ilay onenana”.

11. Satria efa nametraka taminao

     Ny fankasitrahany Izy Tompo,

     Ka ny taninao izany hanjary honenana.

12. Ary toy ny ampakaran’ny tovolahy

     An’izay virjiny halainy ho vady,

     No ampakaran’ireo zanakao anao. (2)

 

13. Dia ho toy ny ifalian’ny zavavy

      Amin’ilay tovolahy mampakatra azy,

      No hifalian’ny Tompo aminao koa.

14. Koa ny Ray Ilay nanorina ny Fiangonana,

      Ilay Zanany sy ny Fanahy Mpamelona,

      No derao amin’ny hoby manakoako.

Nampiditra Arivoara
Ankalazao ny Tompo p. 856
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.026