Velom-pisaorana

Velom-pisaorana Anao izahay Ray ô.

Avo ny lanitra ka tsy takatro e !

Matoa izahay toy izao,

Dia noho ny Fahasoavanao.

Velon-kira ho Anao izahay, Andriamanitra ô,

Manga ny lanitra mahafinaritra e !

Mahatonga anay hanandran-tanana

Ho mariky ny fisaorana.

 

1. Mankasitraka e ! Mankatelina e !

    Ireo soa avy Aminao, ka isaoranay ;

    Toy ny mana avy any an-danitra ny fahasoavanao,

    Miraraka isan’andro ho an’ny vahoakanao

    Ka zary toky hiankinana (2) !

 

2. Mahavelona e ! Mahasambatra e !

    Ireo Teny avy Aminao, ka ho raisinay ;

    Fa toa rano mahery, ny herin’ny Teninao,

    Mankahery ireo osa, sy manadio anay

    Ka zary aina mamelona (2) !

 

3. Ny Eokaristia ! Ny vavaka isan’andro !

    No ivom-piainanay, hozana, aleloia !

    Fa mandrakizay ny Fitiavanao,

    Ry Jesoa Kristy, miara-monina aminay

    Mandrakizay (2) !

Nampiditra Arivoara
Sokajy Fisaorana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009