Hamonjy anay ry Tompo

1. Hamonjy anay ry Tompo no nahatongavanao
ho mpanilo 'zany dia
kanefa tsy nanaiky hotsilovinao izahay
fa nandà ny teninao

Tompo ô mamindra fo aminay mpanota e
Tompo ô mamindra fo aminay

2. Nizaka fijaliana ianao ry Kristy ô
mba ho famonjena anay
kanefa tsy nandray ny fitiavanao izahay
fa nandà ny sitrakao

Kristy ô mamindra fo aminay mpanota e
Krsity ô mamindra fo aminay

3. Natoronao ry Tompo ny lalam-pahendrena
lalam-pitiavana
kanefa tsy nandray 'zay natoronao izahay
fa nandà ny làlanao

Tompo ô mamindra fo aminay mpanota e
Tompo ô mamindra fo aminay

Nampiditra hery
Sokajy Fifonana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0545