Sambatra loatra tokoa ianareo 'zay mitana ny didy

Nampiditra: pissoa
Sokajy: Samihafa,


  • Fihirana Vaovao p. "197
  • Vavaka sy Hira p. "538
  • Fihirana Hasina p. "104
  • Fihirana Dera p. "56

Fiv : Sambatra loatra tokoa ianareo 'zay mitana ny didy e
Ka mahatsiaro ny tenin'ny Tompo
Izy no aro sy vonjinareo, ry mpanota mahantra e
Eny an-dala-mideza alehanareo.

1 - E ny fanahy, ry Tompo e
'Zay mitoetra eo an-dalan'ny ota
Esory fa mampahonena e
Te hisondrotra ho any Aminao.

2 - Avilio tsy hahita ny ratsy e
'Tony nofo malemy sy osa
Velomy Aminao, ô ry Tompo e
Tsy ho rombak'ireo fahavalo.

3 - Ampianaro ny fahalalana e
Toroy izay mety hatao :
Handositra ireo fahotana e
Fanetry ny ho zanakao.

4 - Hankasitraka izay sitrakao e
Ô ry Tompo mahery ao ambony
Tsy hitoetra eo an-dalan'ny ota e,
Fa hidondrotra ho any aminao.
 
5 - Hankasitraka izay sitrakao e
Ô ry Tompo mahery ao ambony
Ka hihira ilay hasinao e,
Any an-danitra mandrakizay.

Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0080 s.] - Hanohana anay