Fanahy Masina avia

Nomenao anay ry Ray ny fo sy ny Fanahy
Satria nomenao hatrizay ka hatramin'izao ho olo iray
Olona iray ny vatana sy ny Fanahy
Hifankatia tokoa, tsy hoe kitoatoa

Ety an-tany ka hatrany an-danitra any e,
Hifankatia ho toy ny iray tam-po

Fa fiainana mandrakizay no tena fahasambarana
O, o Fanahy Masina avia

Fiverenana
Fanahy Masina avia
Ô, Fanahy midina
Fanahy Mahery, tsilovy izahay tsy ho very
O, o Fanahy Masina avia

Aza arianao zahay ry Ray raha toa tsy sitrakao ny ataonay
Fa mba tantano ho tonga any Aminao rahatrizay
Fa fiainana mandrakizay no tena fahasambarana
O, o Fanahy Masina avia

Sambatra tokoa zahay ry Ray fa manana Anao
Satria nomenao hatrizay ka hatramin'izao ny fonao
Olona iray ny vatana sy ny Fanahy
Hifankatia tokoa, tsy hoe kitoatoa

Ety an-tany ka hatrany an-danitra any e,
Hifankatia ho toy ny iray tam-po

Fa fiainana mandrakizay no tena fahasambarana
O, o Fanahy Masina avia

Nampiditra Jean_Luck_R
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1883