Roa arivo taona

Eh, roa arivo taona izay
No nitsidihanao ny taninay
Lihy tany nahalevo,
nanjakan'ny alahelo
Mangetaheta fahafahana.

Hatamin'ny niavianao izay Jesoa ô,
Agnao nalefan-dRay hamonjy anay e
Faly sy miravo roa ny tany e,
fa afa-trosanao.

Mahafaly anay ny fiarahanao aminay 
afaka agnay koa mihoby an-kafaleagna
Mahita ny poaka, (ny) malemy e mitsangana
Ny maregnina e mandre ny vaovao mahafaly e (X2)

Iny hazo natsatokao tan-tany iny e...
Roa arivo taona izay e
Ro tegna tafotom-balam-piaignanay e...
Roa arivo taona izay e

Fahafahana nitondra fagnatignanana a
Jesoa ô...
O o, o o, vana eo ny Fiangonana
Famantarana ny maha-iraika anay e

Eh, roa arivo taogna izay e
Nohazavainao ny taninay e
Lihy tany mahantra nanjakan'ny maizigna
Mangetaheta fivoarana

Hatamin'ny nandalovanao Jesoa ô
Agnao izay niara-niasa tamin'ny Fagnahy e,
Velom-bolo magnantegna roa ny tany e (X2)
Fa navotanao
Misaotsa tokoa amin'ny fiaraha-miasa aminay e
Fa Agnao ro fitiavana magnilo ny dia

Resy e ny ratsy sy rafahafatesagna 
Ny kivy e matoky fa vana handresy (X2)

 

 

 

Nampiditra Jean_Luck_R
Sokajy Samihafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0087