Aza mety fitahin'ologno

Aza mety fitahin'ologno anareo
Mandehana toy ny zanaky ny mazava

1. Tafio ny rariny hiarovan-tena
    Raiso ny fiadian'ny Tompontsika
    Ataovy ho ampinga ny finoana
    Mba handresena ny hevi-diso

Raiso ho hafaliana o ry rahalahy
Ny fizahan-toetra mianjady aminareo
Ny finoanareo mahatonga fandeferana
Ary fandeferana mampiadam-panahy

2. Tanteraho amin'ny finoana ny teny
    Fa tsy mpihaino fotsiny ianareo
    Tano tsara ny fampianarana avy aminay
    Na amin'ny teny am-bava na an-tsoratra

'Zay efa mahalala ny mety atao nefa tsy manao
No meloka indrindra,
Ekeo avokoa izay manjo anareo
Matokia ny tompo
Fa Izy no hanarina anareo

Nampiditra Jean_Luck_R
Sokajy Samihafa - Tanora
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1327