Ny fitiavako ny tranonao

Hira Faneva EKAR Distrika Faravohitra
Vikaria Episkopaly Afovoany
Diosezy Antananarivo

1. Ny fitiavako ny tranonao ry Raiko
No maharitra ny aiko.
Na ho sarotra na ho mora ny adidiko,
Inty aho Raiko ô, fa vonona.
Tsy  mba misy ny fatiantoka
Manatontosa ny asan’ny Fiangonana
Fa fitiavana, hafaliana
No mameno ny fo sy ny saina.
Koa herezo sy hatanjaho ny finoana
Fa ny Tompo no momba sy mitahy.
Koa herezo sy hatanjaho ny finoana
Nahatratra ny dimampolo taona.

2. Ny fitiavako ny Tranonao ry Raiko
No maharitra ny aiko.
Na ho fisedrana na koa fanantenana,
Inty aho ry Jesoa ô, fa zandrinao.
Tsy mba misy ny ahiahiko,
Mampanjaka ny hafatrao sy baikonao.
Fa am-pitiavana, fahavononana
No mameno ny fo sy ny saina.
Koa vimbino sy tsimbino izahay
Mba hijoro ho voninahitrao.
Koa vimbino sy tsimbino izahay
Nahatratra ny dimam-polo taona.

3. Ry Kristy Mpanjakanay, Ilay Teny Tonga Nofo,
Ianao Fanahy Masina,
Tompo sy Andriamanitra mendrika ho deraina
Voninahitra  ho Anao mandrakizay,
Ry Masindahy Piera sy Masindahy Paoly
Ianareo no iankinan’ny Fiangonana.
Fiadanana, fanantenana
Loharano soa tsy mety ritra.
Ry Masindahy François d’Assise nafoy ny hareny
Ho an’ny Tompo sy ny zavaboary.
Ry Masindahy Joany Batista mpiaro  anay ô,
Mivavaha, arovianao ‘zahay

Ry Maria ô, mba tantano re 
Ny Fiangonana naorin’i Jesoa
Mba hivondrona sy hiombona 
Distrika mendrika ny Ray.
Ry Masindahy Joany Batista mpiaro anay ô !
Mivavaha, arovinao ‘zahay.
Ry Masindahy Joany Batista mpiaro anay ô!
Mivavaha, arovianao ‘zahay.

Nampiditra louvamifaly1
Sokajy Samihafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1262