Tompo Zanahary ô, ndreto izahay zanakao

Tompo Zanahary ô
Ndreto izahay zanakao
Mitodika Aminao
Mangataka ny meva
Mangataka ny tsara avy Aminao e
Henoy ny vavakay

1.
Mangataka izahay ho an'ny Papa, ny Eveka
ny pretra, ny Relijiozy 
sy ireo mpanao raharaha Masina
Omeo fahasalamana izy ireo
hahafahan'izy ireo hanompo Anao
Tompo ô, henoy ny vavakay

2.
Mangataka izahay ho an'ny Tanindrazanay
sy ny mpitondra anay 
Ary ireo mpanao raharaham-panjakana eto aminay
Omeo izy ireo ny saina matsilo
hahafahan'izy ireo hitondra anay
Tompo ô, henoy ny vavakay

3.
Mangataka izahay ho an'ireo marary
sy ireo mijaly ny mahantra
sy izay rehetra tsy manan-kialofana
Ampio izy ireo omeo hery koa
hahatsiaro Anao lalandava
Tompo ô, henoy ny vavakay

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0636