Fanignenagna

Fanignenagna tsy hay koragniny ho anay ry Tompo ô

Raha nahatsapa ny fahadisoanay

Satria tsy nitandrigny ny didinao akory

Fa nampiseho ny ditrinay teo amin’ny fiainanay

 

Tompo ô mifona Aminao izahay

Manegnina e tamin’ireny ratsy vitanay

Ivalozanay isan’andro mba hahafahanay hihavana Aminao

Tompo ô Mamindra fo aminay

 

Kinianay navela koa ny didim-pitiavanao Kristy ô

Tsy nasianay hasiny ny hazofijalianao

Fa nampanjaka hatrany fitiavan-tena teo amin’ny namanay

Ka namela ho very ireo izay tra-pahoriana

 

Kristy ô mifona Aminao izahay

Manegnina e tamin’ireny ratsy vitanay

Ivalozanay isan’andro mba hahafahanay hihavana Aminao

Kristy ô Mamindra fo aminay

 

Hodianay tsy regny koa ny bitsiky ny fahasoavanao fanahy ô

Fa naleonay nanaraka ny fiainana amin’izao tontolo izao

Kanefa Ianao no Ilay Fanahy Mpankahery

Izay mampikambana anay ao amin’ny Fiangonana Masina

 

Tompo ô mifona Aminao izahay

Manegnina e tamin’ireny ratsy vitanay

Ivalozanay isan’andro mba hahafahanay hihavana Aminao

Tompo ô Mamindra fo aminay

 

 

 

Nampiditra Jean_Luck_R
Sokajy Fifonana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096