Izaho Tompo Mpandresy

 Izaho Tompo Mpandresy
Nitafy nofon'olombelona
 
Izaho Tompo Mpandresy
 Nijaly ho anao hampijaliana
 
Izaho Tompo Mpandresy
 Nifatotra ho anao izay gadraina
 Izaho Tompo !
 Notsaraina ho anao izay melohina
 
Izaho Tompo Mpandresy
 Maty ho anao izay vonona
 
Izaho Tompo Mpandresy
 Nalevina ho anao izay alevina

  Eny Izaho no nanafaka ny fatorana aman-geja rehetra
  
Eny Izaho Tompo Mpandresy no nandresy ny fahafatesana

 Zovy no sahy hanohitra Anao, f'Ianao Tompo Mpandresy
 Efa nanafaka 'zay voaheloka
 Efa nanangana ireo 'zay maty
  Ary efa namelona ireo 'zay nalevina

 Zovy no sahy hahatohitra Anao ry Kristy Tompo ry Tompo Mpanjaka
Fa Ianao ry Jesoa Tompo no efa nandresy an'izao tontolo izao
Fa Ianao ry Jesoa Tompo no efa nandresy an'izao tontolo izao
Zovy no sahy hanohitra Anao ry Kristy Tompo ry Tompo Mpanjaka
Fahefana sy Voninahitra ho Anao Kristy, Aleloia
Fahefana sy Voninahitra ho Anao Kristy, Aleloia

  Ambaran'ny lalàna sy ny mpaminany
  Izaho no Fiandohana sy Fiafarana
  
Ary naka nofo tao amina Virjiny
  Izaho no Fiandohana sy Fiafarana
  
Nahantona tamin'ny hazo fijaliana
  Izaho no Fiandohana sy Fiafarana
  
Nalevina tao ambanin'ny tany
  Izaho no Fiandohana sy Fiafarana
  
Fa tafatsangana tamin'ny maty
  Izaho no Fiandohana sy Fiafarana
  
Niakatra any An-tampon'ny lanitra
  Niakatra any An-tampon'ny lanitra
  Izaho no Fiandohana sy Fiafarana
  
Mipetraka eo ankavanan'ny Ray

 Manam-pahefana hitsara sy hamonjy ny tontolo izao, Tompo ô.
 Izaho no Fiandohana sy Fiafarana
 Manam-pahefana hitsara sy hamonjy ny tontolo izao, Tompo ô.
 Izaho no Fiandohana sy Fiafarana

 Zovy no sahy hanohitra Anao, f'Ianao Tompo Mpandresy
No Tompon'ny aina tsy ritra
 Nanome anay ilay tena fiainana
 Avy eo ankavanan'ny Ray Andriamanitra

 Zovy no hahatohitra Anao ry Kristy Tompo ry Tompo Mpanjaka
Fa Ianao ry Jesoa Tompo no efa nandresy an'izao tontolo izao
Fa Ianao ry Jesoa Tompo no efa nandresy an'izao tontolo izao
Zovy no hanohitra Anao ry Kristy Tompo ry Tompo Mpanjaka
Fahefana sy Voninahitra ho Anao Kristy, Aleloia
Fahefana sy Voninahitra ho Anao Kristy, Aleloia
Fahefana sy Voninahitra ho Anao Kristy, Aleloia

 

Nampiditra Jean_Luck_R
Sokajy Komonio - Paka - Rakitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0795