Nirahin’ny Ray ianao hanasitrana

1- Nirahin’ny Ray ianao, hanasitrana,
    Ny fo izay mivalo e!
    Mahatsapa tena fa diso e!
    Tsy mendrika ny handova, ny maha-zanaka

Amindrao fo zahay ry Tompo, fa nanota taminao
Asehoy anay ny famindram-ponao,
Ary omeo famonjena avy aminao e!
Tompo ô, mamindra fo aminay (x4)

2- Ianao ilay tonga hiantso
    Reo mpanota mibebaka, amin’ny fahotana
    Fitiavanao Tompo tsy manavaka e!
    Amindranao fo e raha mibebaka

Amindrao fo zahay ry Tompo, fa nanota taminao
Asehoy anay ny famindram-ponao,
Ary omeo famonjena avy aminao e!
Kristy ô, mamindra fo aminay (x4)

3- Raha ny fahotana izay vitanay
    Efa menatra izahay hitsangana aketo ô!
    Kanefa dia matoky ny hatsaram-ponao!
    Mangataka ny famelana e!

Nampiditra Edye
Sokajy Fifonana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4156