Rankizy ô avia, ndao hiara-dia, miantso anao ny Tompo, faneva JNE 2023

Nampiditra: Jean_Luck_R
Sokajy: Masina Maria, Fanirahana,


Ref : Rankizy ô avia, ndao hiara-dia, miantso anao ny Tompo
         Hiaina sy hitory ny Vaovao Mahafaly nentin’i Kristy
         Rankizy miara-dia, filamatra ianao, efa fahazavana
         Tano ny finoana, Apôsitôlin’ny ankizy, fanantenan’ny Eglizy

1 - Isika no antsoina, fa antoky ny ho avy, zanaka andrandraina,
     Sy fanantenana, ka kolokoloina, ikelezana aina
     Tezaina ara-pinoana, zarana fahendrena, omena fahalalana,
     Beazina ho tsara, ara-nofo ara-panahy, ho lavi-pahotana
     Aoka ny hafaliana, hafalian’i Kristy, no hiainantsika
     Ny Vaovao Mahafaly, no torolalana ho an'ny diantsika

2 - Isika no antsoina, hitarika ny hafa, tsy miara-dalana
     Handresy lahatra, vavolombelona, fanasina hanamasina
     Hahay hanetry tena, hanaja koa ny hafa, fa zanak’Andriamanitra
     Ny fahatsoram-po dia hahazoantsika ny fanjakan’ny lanitra
     Mandalina Finoana, mivavaka isan’andro, manaja ny Eokaristia,
     Miara-dalana amintsika, mivavaka ho antsika i Masina Maria


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0064 s.] - Hanohana anay