Fitiavana Andriamanitra Nanao ny zavatra rehetra Nahary ny olombelona (Ny fiainanay rehetra: Voninahitra ho Anao.) (Indroa)
1. Miahy ny fiainanay, Manoro lalana Manazava ny andronay Tompo ô! Ianao no tokinay. (Indroa)
2. Mpamonjy ny olombelona Naniraka ny Lahitokany Mba ho sorom-belona Kristy ô! Ianao no vonjinay. (Indroa)
3. Nandefa ny Fanahiny Fanilon’ny fiainanay Ao anaty haizina Tompo ô! Ianao no herinay. (Indroa)