IO ILAY ANTSO

1.Tianao hosoratana mazava amin’ny taratasy fotsy ny tantaram-piainanao
Mety ho lava dia lava, mety hisy tsy ho  voalaza ny tantaranao
Eny hatramin’ny fony kely, hatramin’izao lehibe izao lava ny tantaranao
Teny an-dalana ny sendra sampanana tantara iray vaovao

Io lay antso e ..... Antso mangina, antson’i Jesoa
Io lay antso e ..... Sampanan-dalana nizara roa
Io lay antso e ..... Dian-tongotry ny Tompo no narahinao
Io lay antso e ...... Isan’andro manoratra pejy vaovao

2.Misy toko sy andininy maro raha soratana daholo ny tantaram-piainanao
Misy ny mangidy sy ny mamy, misy amboy sy ambany ny tantaranao
Misy masoandro mibaliaka, misy alina koa nolalovanao
Na fidinana na fiakarana, ny mazava dia izao

Io lay antso e ...... Hiady isan’andro tsy hataho-pery
Io lay antso e ...... Hamonjy fanahy, hitady ny very
Io lay antso e ...... Dia hifanampy hitondra ny hazofijaliany
Io lay antso e ...... Lavidavitra mantsy iny lalantsika iny

3.Rehefa voasoratrao mazava ny tantaram-piainana dia izao no tsapako
Samy hafa ny lalana nodiavintsika fa ny hitoviana dia ny antson’i Jesoa
Eny iny antsony iny no nanjohy antsika hatrany hatramin’izao
Hiray dia, hiray lalana, miara-dia tsy mifandao

Io lay antso e ...... Hikatsaka ny soa, hikatsaka ny tsara
Io lay antso e ...... Hifankahery hatrany fa hamakivaky ny ala
Io lay antso e ...... Tsy hoenti-miondrika ny anaran-dray
Io lay antso e ...... Fa hidera sy hankalaza azy mandrakizay

Nampiditra rayandoscj
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1265