Tany Fatima

Tany Fatima, ianao ry Maria ô

Nanafatra hoe : “Mibebaha, miovà”

 

1-Izany hafatrao tsy ararakay an-tany

Hibebaka izahay : Mivavaha ho anay

 

2- Ilay fonao madio hanova ny fonay

Ho lapan’i Jesoa : Mivavaha ho anay

 

3-Ampio handresy tena ho tia an’izy Ray

Ho tia ny namanay : Mivavaha ho anay

 

4-Sitrano ny marary, vonjeo izay mijaly

Henoy ny antso hoe : Mivavaha ho anay

 

5-Ho any am-paradisa hiaraka aminao

Hahita an’i Jesoa : Mivavaha ho anay

Nampiditra rayandoscj
Sokajy Masina Maria
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01