HITAKO NY TOMPO

Nampiditra: rayandoscj
Sokajy: Antson'Andriamanitra,


Hitako ny Tompo izay miantso hoe

“Avia manaraka ahy”

Nentiny namakivaky ny fiainana aho

Notantanany fandrao solafaka

Notsimbininy isan’andro sao reraka

Ary homeny hery hifikirako aminy

Mandrakizay

 

1-Tsy ny harena sesehena no nilaozako

Fa ireo mangeja sy mamatotra ny fo

Ray sy Reny hava-tiana, tany nahabe

‘Zay nafoiko ho anao Jesoa, Zoky be fitia

 

2-Tsy ny hotompoina na ny hotiavina

No iantsoanao ireo maniry ho mpianatrao

Fa ny hanompo sy hitia ny madinika

Sy hanao izay sitrakao am-pitiavana

 

3-Tsy ny olo-manan-daza na mpanefoefo

No mba nofidianao hanohy ny asanao

Fa ireo manetry tena, vitsy mpahalala

No nantsoinao, ry Jesoa, ho mpianatrao.


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0068 s.] - Hanohana anay