HIOMBONA FITIA AMINAO

Hiombona fitia aminao no faniriako
Hiara-dalana aminao no fifaliako
Babonao tanteraka aho Jesoa malala ô
Ho sambatra eo anilanao, tsy manan-tsahala

1. Indro ny foko, indro atolotro ho anao tsy misalasala
Jesoa tsy foiko, anjakaonao doria fa ianao no fitia
Indro ny foko, indro atolotro ho anao tsy misalasala
Jesoa tsy foiko, anjakaonao doria fa ianao no fitia

2. Fitia kisarisary fitia no entiko anaty
Fitia ekeko ho doria ka ho mandramaty
Ekeko marina fa hoe izay tia no adala ô
Ny feonao mibitsika hoe : Mifankatiava!

3. Nafoinao, nafoinao ho ahy avokoa ny ainao rehetra a a
Hatramin’izao, afoiko ho anao avokoa, izay tsy misy fetra
Nafoinao, nafoinao ho ahy avokoa ny ainao rehetra a a
Hatramin’izao, afoiko ho anao avokoa, izay tsy misy fetra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009