Hazofijaliana (Hozakaiko izao ny Hazofijalianao)
1. Ho zakaiko izao ny Hazofijalianao Jesoa
Na dia mafy sy mandreraka ahy aza
Tsy ampahafirin’izay nanavotanao ahy
Nibabenao izany hadisoako
Nefa Tompo, hamaivano re ny ziogako
Misy fetrany ireo fitsapana zakako
Hozakaiko fa Ianao no itokiako
Hampahery ahy mandrakizay
2. Ho efaiko izao ireo didy tsy voatandriko hatrizay
Hanamaivana ny Hazofijalianao Jesoa
Ka na mafy tsy ho zakako aza izany
Dia matoky aho ny fanampianao
3. Dia apetrako Aminao ry Jesoa mpamindra fo
Ireo hazofijaliana hozakaiko
Toky izao no indro apetrako Aminao
Na ho sorona aza ny aiko noho Ianao
Na dia mafy sy mandreraka ahy aza
Tsy ampahafirin’izay nanavotanao ahy
Nibabenao izany hadisoako
Nefa Tompo, hamaivano re ny ziogako
Misy fetrany ireo fitsapana zakako
Hozakaiko fa Ianao no itokiako
Hampahery ahy mandrakizay
2. Ho efaiko izao ireo didy tsy voatandriko hatrizay
Hanamaivana ny Hazofijalianao Jesoa
Ka na mafy tsy ho zakako aza izany
Dia matoky aho ny fanampianao
3. Dia apetrako Aminao ry Jesoa mpamindra fo
Ireo hazofijaliana hozakaiko
Toky izao no indro apetrako Aminao
Na ho sorona aza ny aiko noho Ianao

