HOZAKAIKO IZAO NY HAZOFIJALIAKO

1. Ho zakaiko izao ny hazofijaliako Jesoa
Na dia mafy sy mandreraka ahy aza
Tsy ampahafirin’izay nanavotanao ahy
Dia mba mihena izany hadisoako

Nefa Tompo, hamaivano re ny sitrako
Hisy fetra ireo fitsapana zakako
Hozakaiko fa ianao no itokiako
Hankahery ahy mandrakizay

2. Hohefaiko izao ireo didy tsy voatandriko hatrizay
Hanamaivana ny Hazofijaliako Jesoa
Ka na mafy tsy ho zakako aza izany
Dia matoky aho ny fanampianao

3. Dia apetrako aminao ry Jesoa mpamindra fo
Ireo hazofijaliana hozakaiko
Koa dia izao indro apetrako aminao
Na ho sorona aza ny aiko noho ianao

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.06