RAY Ô, INTY AHO VONONA

RAY Ô, INTY AHO VONONA

Ray ô, inty aho vonona
Hanao ny sitrakao mandrakizay
Raiso re, izao fiainako izao
Ho vavolombelonao doria

1. Tsy mba sitrakao ireo fanatitra
    Tsy nilainao ny soron-dorana
    Fa nanamboatra vatana ho ahy Ianao
    Koa ‘nty aho ry Ray hanaiky anao

2. Koa mba tehirizo ireo nanirahanao ahy
    Fenoy fiadananao izy ireo
    Mba tsy hisy very na iray
    Sy hahalalany fa Ianao no Ray

3. Indro fa ny rako no halatsaka
    Hampihavana ny olonao
    Indro ko any vatako atolotro
    Ho solohelok’izy ireo

Nampiditra rayandoscj
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1016