1.Jesoa ô irery ihany
Ianao no masoandrom-piainako
Itokiako mandrakizay
Na misy aza ny mianjady ety
Tsy ho kivy aho, tsy ho ketraka
Fa matoky aho, manana anao
Tsinjovy ny lalako Tompo ô
Ny lala-mizotra mankany aminao
Tahio aho Tompo ô, ho eo anilanao
Hanao ny sitrakao(x2)
2. Jesoa ô, mpiaro ahy
Hamasino aho mba tsy ho latsaka
Fa ho vonona aho hanara-dia anao
Maro ny fakam-panahy, izay mety handrendrika sy hampatahotra
Ka tahio aho ho eo anilanao