NATOKAKO MBA HO ANAO

NATOKAKO MBA HO ANAO

1. Natokako mba ho anao Tompo ô
    Ny amiko sy ny tenako rehetra
    Vonona aho tsy misalasala tokoa
    Ary ho anao, ho anao tsy misy fetra

Anjakaonao ny foko rehetra
Efa anao aho Tompo ô
Toky sy fahasoavako
Koa nomeko tsy voazara
Ho anao samirery, ho anao ….. samirery

2. Tsy hitia afa-tsy ianao ihany
    Ny foko, ny saiko, ary ny aiko
    Ianao no mba iriko ety an-tany
    Ary ianao irery no tiako

3. Voaomana ho anao Tompo ô
    No nahariana ahy ety an-tany
    Koa mba raiso mba ho anao Tompo ô
    Fa hifikitra tsy hivadika velively

Nampiditra rayandoscj
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1394