Ray ô mamelà re

1 - Tsy mahatsiaro ny hadisoana izay natao
Ary manao tsinontsinona ny didinao
Miseho ho mahavita tena samirery
Sady voasariky ny fahotana rehetra eto an-tany

Ampio aho ry Ray, ka iantrao re !
Fa osa sy malemy eo anilanao
Mpanota re zahay ka mamela re,
Tompo ô mamindra fo aminay.

2 - Tsy mba miafina aminao ny hadalana izay natao
Ka menatra izahay ny hiantso ny anaranao
Nefa tonga Ianao, mba hanasitrana anay
Tamin'ny rà zay nalatsakao ho anay.

Ampio aho ry Ray, ka iantrao re !
Fa osa sy malemy eo anilanao
Mpanota re zahay ka mamela re,
Kristy ô mamindra fo aminay.

3 - Vonona izahay ny hiverina aminao
Ny hibebaka sy hivalo amin'ny ota natao
Hanaraka Anao ry Ray mpamindra fo
Ka hiezaka ny hidera sy hanompo Anao.

Ampio aho ry Ray, ka iantrao re !
Fa osa sy malemy eo anilanao
Mpanota re zahay ka mamela re,
Tompo ô mamindra fo aminay.

(A/C Andonomenjanahary)

Nampiditra admin
Sokajy Fifonana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0712