Lalan'ny antso

Tamin'ny lalana rehetra niantsoanao ahy
Tompo ô!, Tompo ô!
Dia Ianao ihany koa no tonga niaro ahy
Tompo ô!, Tompo ô!

1. Tadidiko tokoa ilay andro iray
'Lay andro nitadiavanao ahy
'Lay andro nitadiavako Anao
'Lay andron-kafaliana
'Lay androm-pihobiana
'Lay andro nitsanganako

2. Tadidiko 'reo sedra sy ireo faniriana
'Reo ezaka nataoko hatrizay
Niainako hanarahana Anao
'Reo ngidim-pahoriana
'Reo ngidim-pijaliana
'Zay tonga fahasoavako

3. Tadidiko 'reo kapoka 'zay nifanesy
Namely sy namingana ahy
Nisakana, namendrofendro ahy
Fa lasa fihobiana
Lasa hafaliana
Nanentana ny fiainako

Nampiditra Jean_Luck_R
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009