Fa tsy hoe

Nampiditra: Jean_Luck_R
Sokajy: Samihafa, Tononkira,


Fa tsy hoe hahita ny rano fisotro

Higoka ny mamy ho anao samirery

Tsy izay no manosika antsika isan’andro

Fa raha izay e, fitiavan-tena

 

Tsy hoe manan-tena ny takalom-patsa

Tsy hoe sasa-miandry ny atero ka alao

Tsy izay no mangaika hitiavana ny olona

Fa raha izay e, fitiavan-tena

 

Fiverenana

Jesoa Kristy Tompontsika ô,

Raha nihaona tamin’ilay samaritana

Izy Andriamanitra nanaka-dresaka

Resaka hatrany amin’ny ati-fanahy

Dia tonga hanazava ny fo sy ny saina ô,

Hangetaheta ny fiainan’ny Tompo

Teraka teo ny fanantenana hangetaheta ny fiainan’ny Tompo 2x

 

Jesoa Kristy tompontsika ô,

Ankehitriny izy mitady anao

Izy no tonga mitafa aminao

Resaka tsotra ilazany hoe:

Raha fantatrao manko ny fanomezan’Andriamanitrao,

Raha fantatrao ô,

Dia ho ianao no hangetaheta ny fiainan’ny tompo 2x

Jesoa Kristy Tompontsika ô, dia fanomezan’Andriamanitsika

Jesoa Kristy Tompontsika ô, Fiainantsika Izy e,

 

Fa tsy hoe hitsipaka ny ara-panahy

Hanidy ny fo tsy hidiran’ny Tompo

Tsy izay no mampiadana antsika olombelona

Fa raha izay e, kipantsona foana

Tsy hoe toy ny sakamalao sy havozo

Tsy hoe sasanangy mandrirotra ho azy

Tsy izay Izy Tompo sy ny fiainantsika

Fa raha izay e, kipantsona foana

 

 

 

 

 

 

 


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0075 s.] - Hanohana anay