Hira faneva jôbily (jobily) faha-155 taona - EKAR Ny Anjely Mpiambina - Anosivavaka

1. Ry Ray, Zanaka, Fanahy Masina ô!
Misaotra Anao izahay
155 taona izao
Noho ny fitsimbinanao
Nomenao anay ny anjely mpiambina
Ho mpiaro anay isan'andro
Ho mpitari-dalana anay amin'ny finoana

(Misaora) Misaora ny Tompo, ry fanahiko,
Aza manadino ny soa nataony
Fa fitiavany tsy mety ritra
No niorenan'ny fiangonana

2. Omeo anay finoana tsy ho resy
Ampian'i Masina Maria
Hampitombo ny fahamasinana
Ho Evanjely velona
Ho iraka mpitondra fiainana
Hizara hafaliana isan'andro
Ho kristianina mandray andraikitra,
mavitrika, mahafoy tena

(Misaora) Misaora ny Tompo, ry fanahiko,
Aza manadino ny soa nataony
Fa fitiavany tsy mety ritra
No niorenan'ny fiangonana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0148