Hihira aho Jesoa-Kerobima

Nampiditra: Jean_Luck_R
Sokajy: Samihafa,


Tsy vola, tsy harena, tsy saina mahay
Talenta izay nomenao, ka ho entinay
Hanandram-peo aho Tompo ô, hahafako midera,                                                            Hihira aho Jesoa, hihira ho Anao !(x2)


Fiverenana

Hihira ho Anao, hiantsa ho Anao
Tsy hitsahatra fa hidera Anao aho
Hihira am-pitiavana, ka ho mandrakizay
Vonona aho Jesoa, hihira ho Anao


Tsy hery, tsy fitia, tsy saina madio
Fa aina sy feo no atolotro anio
Hisaotra Anao aho Tompo ô ,
Fa mendrika Ianao,                                                                                              Hihira aho Jesoa, hihira ho Anao !

Tsy manam-pahefana, tsy manan-tsafidy
Tsy hoe ambony indrindra, ka ho afa-mandidy
Tsy ho an' izao tontolo izao, fa ho Anao irery
Hihira aho Jesoa, hihira ho Anao !


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0069 s.] - Hanohana anay