Andriamanitra ô, miantso Anao aho

Fiverenana:

Andriamanitra ô, miantso Anao aho
Maniry ny handray Anao
Fa sambatra sy tretrika, izay miankina Aminao
Omeko Anao daholo, ny foko manontolo
Mino mafy aho fa ho raisinao

 

1. Hatry ny ela aho no naniry Anao
Hatramin’izao Tompo ô, mbola mitady Anao
Mba tongava re, honina ao am-poko lalina

2. Izao no vavako, atolotro Anao
Ankaherezo re, ireo zandrinao
Indrindra ireo mania sy ireo mikiry hanara-dia Anao

3. Ny tonombavako, dia efa fantatrao
Tantano hatrany aho tsy hisaraka Aminao
Satria Ianao tompo ô, no hasambarako mandrakizay

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009