Tsy misalasala miantso anao hoe
Rainay izahay Andriamanitra ô
Fa manaiky sy mandray ny Fiangonana ho Reninay
1. Eny tsara ny mihoby ilay Andriamanitsika
Eny mety ny mihira ny fankalazana azy
2. Fa ny Tompo no manangana ilay Jerosalema
Ilay mamory izay voaely amin’ny Zanak’Israely
3. Izy koa no manasitrana an’ireo izay toro fo
Sy mitsabo koa ny fery amin’ny ratran’izy ireo
4. Ilay manisa tsirairay irony kintana rehetra
Sy miantso azy ireo amin’ny anarany avy
9. Mampitsiry ahitra izy eny an-tendrombohitra eny
Mbamin’ireo karazan’anana izay ilain’ny olombelona
10. Manome firaofana izy mba ho an’ny biby fiompy
Ary izay ilainy koa ho an’ny zanaka goaika
11. Tsy ny herin’ny soavaly no hoe mahafinaritra azy
Na ny tanjaky ny mpiady no hoe sitraky ny fony
12. Fa izay matahotra azy, ireo no sitraky ny Tompo
Dia ireo izay manantena ny hatsaram-pony ihany
13. Isaoranay ianao ry Ray: ny Fiangonan’i Kristy
No anangonanao ny mpino amin’ny tsiokan’ny Fanahy