Mama Maria

1-Oh Maria ô, feno hasoavana indrindra ianao

Avy taminao no nahazoana an’i Jesoa

Lay Zanaky ny Ray tonga aty an-tany aty

Misaotra e, mankalaza anao ‘zahay

2-Oh Maria ô, tsara sy madio fo ianao

Ny toetranao manaiky sy tia mangina

Modely ho anay, ny fanetren-tenanao

Ampianaro e, mba ho mendrika toa anao zahay

Mama Maria, Reny mpitaiza anay

Mama Maria, manaja anao izahay

Mama Maria ô, tsinjovy ty taninay

Mama Maria, mivavaha ho anay

3-Oh Maria ô, Reny Masina indrindra ianao

Lay tsy voakasika ny fahotanay tety

Nihatra taminao ny fiainana tena mangidy

Ho anay e, no nahafatesan’ilay Zanakao

4-Oh Maria ô, Reny mamin’ny Malagasy

Matoky anao mba hanala anay amin’ny ratsy

Mitavandra anao mba hamonjy ty Nosinay

Miangavy e, mba vonjeo ty taninay

Nampiditra SAOLALA
Sokajy Masina Maria
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0885