Mba ho ao aminareo ny fifaliako - AFAFI - FET

1. Dibo-kafaliana no misaotra Anao
   Amin’izao fahasoavana izao
   Faly izahay AFAFI sy FET
   Fa mananao Anao Zoky mpanabe
   Ianao Jesoa no Lalana arahina
   Aina sy Famonjena ny Fivavahana

Mba ho ao aminareo ny fifaliako
Hoy Ianao Jesoa Kristy
Hanaradia Anao no tiako,
Miaina ny Eokaristia
Fa soa e ! soa e !
Soa e ! Jesoa e !

2. Asa am-bavaka e ny fiainanay ety
   Atolotra anao Jesoa Kristy
   Asa soa, asam-pamonjena koa
   Asa am-pitiavana e ! Asa amin’ny fo
   Ny andronay e ! ny hoavinay e !
   Ankininay amin’izy Ray e !

3. Ombay ny Fanahy Masina e ! e !
   Hanaja ny Fonao Masina e ! e !
   Mivavaha ho anay ry Masina Maria,
   Hampita ny hafatra napetrak’i Kristy !
   Finoana mafy orina : izany no tarigetra,
   Mitory ny Evanjely amin’ny olon-drehetra

Nampiditra louvamifaly1
Sokajy Fisaorana - Tanora
Fihirana Hasina p. 882
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095