Ianao, ry Jesoa, no niantso ahy

Nampiditra: Belle
Sokajy: Jesoa Kristy,


  • Fihirana Hasina p. "819

Ianao, ry Jesoa, no niantso ahy

Ianao, ry Jesoa, no nifidy ahy

Ianao, ry Jesoa, no namonjy ahy

Tamin'ny lalam-piainana iny.

 

1. Niantso ahy e, inty aho, Tompo ô,

Nifidy ahy ho mpanotrona,

Hamaky teny ny Evanjelinao

Mba ho famonjena izao tontolo izao.

 

2. Niantso ahy e, ho mpanomponao

Nifidy ahy ho mpisorona,

Hizarazara fanomezan-tsoa

Ho an'ireo vahoaka mino anao tokoa.

 

3. Niantso ahy e, moramora ihany,

Nifidy ianao e, vitsivitsy ihany.

Ampio 'zahay hiombona fitia

Amin'ny fiainana mandalo ity.

 

4. Misaotra anao e 'zahay, Tompo ô,

Fa be tokoa ny fitiavanao.

Nijaly ianao ho famonjena anay,

Olombelona izahay navotanao.


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0944 s.] - Hanohana anay