Masindahy Jacques Berthieu (2)

1. Masindahy Jacques Berthieu, misionera nahery fo,

Nandao ny fianakaviany sy ny tanindrazany.

Masindahy Jacques Berthieu, nitory an'i Jesoa,

Nanolo-tena tokoa ho an'ny Malagasy,

Omeo fon'apostoly, izahay zanakao,

Hanohy ny asa izay natombokao tety amin'ny Nosinay.

 

     Herezo izahay hitana sy handalina

     Ny finoana marina. (in-2)

 

2. Masindahy Jacques Berthieu, 'lay pretra nahery fo,

Nitety lohasaha, tsy nahalala sasatra

Masindahy Jacques Berthieu, nikoizana tokoa,

Tamin'ny fanaovan-tsoa an'ireo mahantra.

Ankininay aminao 'ty Nosy maminay,

Handresy ny fahantrana sy ireo tsy rariny,

Handroso fehizay.

Kristy Ilay tokana, ry Zanak'ondrin'Andriamanitra,

Ô ry Zanaka mamin'ny Ray, Ianao no Tompo...

 

3. Masindahy Jacques Berthieu, martiry nahery fo,

Nanolotra ny ainy noho ny finoana.

Masindahy Jacques Berthieu, nisotro ny "aleoko maty"\

Niaraka tamin'i Jesoa, mba ho anay.

Hamasino izahay sy ny fianakavianay,

Ka ny rà nafoinao hampamokatra ny voa.

Nampiditra Belle
Sokajy Olomasina - Samihafa
Fihirana Hasina p. 810
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093