Sakafon'ny fiainana

1. Ireo vahoaka marobe nanara-dia ny Tompo,

    Ireo mpianatra tsy nahafoy tany an-tendrombohitra:

    Nankafy ny teninao, ry Jesoa,

    Novokisanao sakafo, nanaram-po.

 

          Jesoa Tompo, sakafon'ny fiainanay,

          Jesoa Tompo, sakafon'ny fanahinay,

          Natolotrao ho anay ny tenanao,

          Jesoa hôstia, mamelona aina.

 

2. Tsy avelanao ho reraka, tsy avelanao hitofezaka

    Ireo manara-dia anao, fa voky sakafo.

    Aza avela hisaraka aminao izahay,

    Fa mankafy ny mitoetra eo anilanao.

 

3. Nampitomboinao, ry Jesoa, ireo mofo dimy;

    Nozarainao koa ny hazandrano roa.

    Niharihary ny voninahitry ny Ray;

    Mino anao sy mitsaoka anao izahay.
         

Nampiditra Belle
Sokajy Jesoa Kristy
Fihirana Hasina p. 792
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0198