Voninahitra ho an'Andriamanitra

1. Voninahitra ho an'Andriamanitra

    Ary fiadanana ho an'ny olona fa tiaviny.

    Izahay midera ary mankalaza anao:

    Be voninahitra ianao Tompo Zanaharinay,

    Andriamanitra nahary ny tany aman-danitra.

 

2. Jesoa Kristy ô, Zanaky ny Ray,

    'Zay manala ny fahotan'ny olona, ekeo ny fifonanay,

    Ianao tokoa no miaraka amin'ny Ray

    Sy ny Fanahy Masina, feno voninahitra

    Mandrakizay, mandrakizay. Amen.

Nampiditra Belle
Sokajy Jesoa Kristy
Fihirana Hasina p. 746
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1246