Tompo ô, mbola zaza aho

1. Tompo ô, mbola zaza aho

    Nobitsihinao: avia hanaraka ahy.

 

          Henoko ny antsonao

          Ka nilaozako

          'Reo Ray aman-dreny

          'Reo zoky sy zandry

          Sy ireo havan-tiana

          Mba hanara-dia anao.

          Koa inty aho, Tompo ô,

          Anatrehanao, vonona hanao e

          Izay sitrakao.

 

2. Tompo ô, be ny fahavalo

    'Zay misompatra mitady hamingana ny dia.

 

3. Tompo ô, voady tsy mifody

    Ny ho anao doria, ampio tsy hivadika aho.

 

4. Tompo ô, nafoiko avokoa izao tontolo izao

    Ianao no anjara nofidiko.

 

Nampiditra Belle
Sokajy Jesoa Kristy
Fihirana Hasina p. 728
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.045