Mandalo fanavaozana kely ny takelaka ka mety misy tsy fahatomombanana vitsivitsy. Eo am-panitsiana izy ireny isika koa misaotra amin'ny faharetana.

Tompo ô, mamindrà fo aminay (2)

1. Tompo ô, mamindrà fo aminay,

    Ianao 'lay tonga hampihavana anay amin'ny Rainao,

    Mba ho mpandova ny fiainana mandrakizay:

    Tompo ô, Tompo ô, mamindrà fo aminay,

          Mamindrà fo aminay.

 

2. Kristy ô, mamindrà fo aminay,

    Ianao 'lay tonga hampianatra anay mba hifamela tokoa:

    Kristy ô, Kristy ô, mamindrà fo aminay,

          Mamindrà fo aminay.

 

3. Tompo ô, mamindrà fo aminay,

    Ianao 'lay tonga nitory fihavanana tamin'ny olonao,

    Mihanta aminao, avelao ny hadisoanay rehetra:

   Tompo ô, Tompo ô, mamindrà fo aminay,

          Mamindrà fo aminay.

 

Nampiditra Belle
Sokajy Jesoa Kristy
Fihirana Hasina p. 728
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.0104