Tompo ô, Kristy ô, mamindrà fo

Tompo ô, Kristy ô, mamindrà fo aminay e,

                 (Mamindrà fo)

 

1. Miaiky heloka anie izahay, (miaiky heloka)

    Avelao ny otanay                            (avelao)

 

2. Manadino ny didinao e,             (manadino)

    Anjakan'ny fitiavan-tena.            (anjakany)

 

3. Mba lazao amin'izy Ray e,       (mba lazao)

    Te ho zanany anie 'zahay.     (te ho zanany)

 

4. Fitiavana anie ianao,                   (fitiavana)

    Te hanahaka anao 'zahay e.    (te hanahaka)

 

5. Mba marisika ny fanahy,     (mba marisika)

    Ny nofo no tena osa.                    (ny nofo)

 

6. Manasitrana ny fonay e,        (manasitrana)

    Omeo anay ny Fanahy Masina (omeo anay)

 

7. Famonjena ho anay ianao e,     (famonjena)

    Paradisa mandrakizay e.              (paradisa)

Nampiditra Belle
Sokajy Jesoa Kristy
Fihirana Hasina p. 727
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094