Iza loatra ho'aho io maratra io mba lazao

(Lk. 10, 29-37)

Iza loatra ho'aho io marary io, mba lazao?
Mivalampatra eo amoron-dalana mankany Jerikao,
Fa nendahin-jiolahy, nofofoiny ho faty tsotra izao?
Na ny levita, na mpisorona,
Dia samy nikimpy, nidify, tsy hanolo-tanana,
Fadifadin-dalàna lomorina no nisalorany
Ho fialan-tsiny tsy hitsaboana izay maratra

1. Fa io maratra io, moa tsy izaho ilay nanota,
Teny an-dalam-piainako teny, resin'ilay mpaka fanahy!

Izaho ilay mpamory hetra, izay nanodinkodim-bola.
Izao ireo mihevi-tena ho marina, dia mandosidositra ahy...

Jesoa, Samaritanina tsara fanahy ô!
Nanota aho, ka aniraho iray amin'ny mpianatrao, hitsabo ahy
Jesoa, resinao ilay fahavalonay e
Tsy mbola nisy mpanota nodianao tsy hita.

2. Fa io maratra io, moa tsy izaho ilay mpivaro-tena,
Nohararaotina aho fa osa, noho 'ty nofo mosarena!

Inona àry no hatao, hiarenako indray? 
'Reo milaza ho askaizako, ny hitsentsitra ahy no hainy!...

Jesoa, Samaritanina tsara fanahy ô!
Nanota aho, ka aniraho iray amin'ny mpianatrao, hitsabo ahy
Jesoa, resinao ilay fahavalonay e
Tsy mbola nisy mpanota nodianao tsy hita.
Tsy mbola nisy mpanota nodianao tsy hita.
Tsy mbola nisy mpanota nodianao tsy hita.
Tsy mbola nisy mpanota nodianao tsy hita.

3. Fa io maratra io, moa tsy izaho ilay mpandalo,
Nodarofan'ny jiolahy nanafika teto an-tanàna!

Fa izay nijery ahy, tsy te-hahalala akory.
Noratraina mba hitondra takaitra mandra-maty...

Jesoa, Samaritanina tsara fanahy ô!
Nanota aho, ka aniraho iray amin'ny mpianatrao, hitsabo ahy
Jesoa, resinao ilay fahavalonay e
Tsy mbola nisy mpanota nodianao tsy hita.
Tsy mbola nisy mpanota nodianao tsy hita.
Tsy mbola nisy mpanota nodianao tsy hita.
Tsy mbola nisy mpanota nodianao tsy hita.

Iza loatra ho'aho io marary io, mba lazao?
Mivalampatra eo amoron-dalana mankany Jerikao,
Fa nendahin-jiolahy, nofofoiny ho faty tsotra izao?
Na ny levita, na mpisorona,
Dia samy nikimpy, nidify, tsy hanolo-tanana,
Fadifadin-dalàna lomorina no nisalorany
Ho fialan-tsiny tsy hitsaboana izay maratra
Ho fialan-tsiny tsy hitsaboana izay maratra

Jesoa, Samaritanina tsara fanahy ô!
Nanota aho, ka aniraho iray amin'ny mpianatrao, hitsabo ahy
Jesoa, resinao ilay fahavalonay e
Tsy mbola nisy mpanota nodianao tsy hita.
Tsy mbola nisy mpanota nodianao tsy hita.
Tsy mbola nisy mpanota nodianao tsy hita.
Tsy mbola nisy mpanota nodianao tsy hita.

Nampiditra Belle
Sokajy Jesoa Kristy
Ankalazao ny Tompo p. 0
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0198