Matoria sombinaiko

Nampiditra: Belle
Sokajy: Jesoa Kristy,


  • Ankalazao ny Tompo p. "0

1. Matoria sombinaiko
fa mafana ihany eto
ny tontolo koa mangina,
ary tony izay jerena!

2. Matoria sombinaiko
any andro, any volana,
mbola hamihina sy hitrotro
ny ankizy kely Ianao!

3. Matoria sombinaiko
amin'izao anio izao
aoka horotsiako Ianao,
sy hosafosafoiko!

Mifalia ianao, ry Maria,
Renin'ny Zanak'Andriamanitra:
Izy hampivondrona ireo firenena
manerana ny tany
hampihavana azy ireo.

4. Matoria sombinaiko
ny mpanjaka efa fantatro
fa mitady hamono Anao...
Fa Andriamanitra no miahy e!

5. Matoria sombinaiko
fa ny rainao eto an-tany
nofohazin'ny Anjely...
hitondra antsika any Ejipta!

6. Matoria sombinaiko
fa tsy izao no fotoana
hitoriana Fanjakana:
mbola kely loatra Ianao!

Mifalia ianao, ry Maria,
Renin'ny Zanak'Andriamanitra:
Izy hampivondrona ireo firenena
manerana ny tany
hampihavana azy ireo.

7. Matoria sombinaiko
etsy Ianao hampinonoiko
any aoriana mbola hamahana
vahoaka koa Ianao!

8. Matoria sombinaiko
matoria eto am-pofoako;
tsy mbola izao no atorianao
amin'ny Hazofijaliana!

9. Matoria sombinaiko
mbola hihavana ny tany;
na ny zaza bodo aza
hilalao menarana

Mifalia ianao, ry Maria,
Renin'ny Zanak'Andriamanitra:
Izy hampivondrona ireo firenena
manerana ny tany
hampihavana azy ireo.


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.1411 s.] - Hanohana anay