Ave Maria! Ry Mpanjakavavy

Ave Maria! Ave Maria! Ry Mpanjakavavy!
Mitafy aina vao 'zahay manara-dia anao:
Misaotra e! Misaotra e!
Hampita ny hafatrao
Amy faravazan-tany, 'zahay mianakavy.

1. An-kodahoda ny làlana mankaminao, Maria e:
Anosivolakely nofidinao, ry Reny tia;
Lohasaha sy havoana ary tendrombohidra,
Kotro-baratr'oram-panala manoloana.
Ny teninao: hery, toky sady masina;
Manana anao anilanay, tsy hitakemotra!

2. An-konahona ny fahorian'ity vahoakanao e;
Ondry very ts'isy mpiahy, gejaina sy vonoina;
Fitiavan-tena no tompoina, vola, voninahitra!
Ry Renin'ny Malagasy, atreho izahay!
Tonga ianao hamonjy anay, mazava ny hafatra
Ho an'ireo mpitondra firenena sy fivavahana!

Nampiditra louvamifaly1
Sokajy Masina Maria
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0185