Misy toerana mangina

Misy toerana mangina,
Any ambanivohitra any,
Nofidinao hisehoana
Hanafarana ity tany!

Ave, Ave, Ave, Maria
Mino ny hafatra nataonao izahay
Ry Maria ô!
Mifona! Mivalo!
Mamelà ny helokay, ry Jesoa ô!

Ity nosy izay mahantra,
Feno ota sy haratsiana;
Rakotra olona mpanota,
Sady rakotra habibiana!

Ave, Ave, Ave Maria
Samy mpihavana, mpiara-monina, indrisy!
O ry Tompo ô!
No miady! Mifandrafy!
Mamindrà fo aminay, ry Jesoa ô!

Nitondranao hazavana
Avy amin-janakao,
Ka hanoro ny tontolo
Izay tokony hatao!

Ave, Ave, Ave Maria
Ny herinao sy ny fitiavanao no ilaina,
Ry Mpamonjy!
Arotsahy aminay!
Hanavotana anay, ry Jesoa ô!

Ka tsy maintsy ho resena
Ilay fitiavan-tena;
Hiadiana mba ho tola:
Tafahoatra ny fitiavam-bola

Ave, Ave, Ave Maria
Matetika resin'ny fakam-panahy izahay
O ry Tompo ô!
Mifona! Mivalo!
Mivavaha ho anay, ry Maria ô

Nampiditra louvamifaly1
Sokajy Masina Maria
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.053